Fanehoan-javatra mifetra sy tsy mifetra

Ny fanehoan-javatra mifetra sy ny fanehoan-javatra tsy mifetra dia fanehoan-javatra ara-keviteny izay maneho fa ny fahafahan' ilay asa na toetra misy dia voafetra na tsy voafetra ara-potoana. Ny famerana dia efa ao amin' ny matoanteny na teny hafa atao lohatarika na ny teny atao fameno ao amin' ny tarika na atao lazaina na fameno ao amin' ny fehezanteny. Ao amin' ireo fitsipiteny mahazatra momba ny fiteny slava (anisan' izany ny fiteny rosiana) dia ny matoanteny no manana ireo fanehoan-javatra roa ireo ka amin' ny alalan' ny tsirinteny fampisampanan-teny no isehoan' izany.


© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search